Luke 17

1Jesosy niteny tamin’ireo mpianany hoe: “Azo antoka fa hisy zavatra afaka hanosika antsika hanota, fa loza ho an’ny olona izay hiavian’izany! 2Tsara ho azy kokoa raha asiana vato be eo amin’ny vozony ka atsipy any an-dranomasina, toy izay hahatafintohina ny iray amin’ireo madinika ireo.

3Mitandrema ianareo. Raha manota ny rahalahinareo, teneno mafy izy, ary raha mibebaka izy, mamelà azy. 4Raha manota aminao impito ao anatin’ny iray andro izy, ka impito miverina aminao izy, miteny hoe: ‘Mibebaka aho,’ dia tsy maintsy mamela azy ianao!”

5Ireo apostoly niteny tamin’ny Tompo hoe: “Ampitomboy ny finoanay.” 6Ny Tompo niteny hoe: “Raha manana finoana ohatran’ny voatsinampy ianareo, dia afaka miteny amin’io voroihazo io hoe: ‘Miongota, ary maniria any an-dranomasina,’ dia hanaiky anareo izy.

7Fa iza aminareo, no manana mpanompo miasa tany na miandry ondry, ka hiteny aminy rehefa tonga avy any an-tsaha izy hoe: ‘Avia haingana ka mipetraha mba hihinana’? 8Fa tsy hiteny aminy ve izy hoe: ‘Hikarakarao zavatra hohaniko aho, ka asio fehikibo manodidina ny ankanjonao dia manompoa ahy mandrapahalanin’ny haniko sy fisotroako. Dia avy eo ianao mihinana sy misotro’?

9Tsy misaotra ilay mpanompo izy satria nanao ireo izay nibaikoana azy izy, sa misaotra ve izy? 10Na dia ianareo koa aza, rehefa nahavita ireo zavatra rehetra izay nandidiana anareo ianareo, dia tokony hiteny hoe: ‘Izahay dia mpanompo tsy mendrika. Izay tokony nataonay ihany no nataonay.”’

11Ary raha nandeha ho any Jerosalema Izy, dia nandeha teo amin’ny sisin-tany teo anelanelan’i Samaria sy Galilia. 12Rehefa niditra tao amin’ny tanàna iray izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy tao. Nitsangana lavitra Azy izy ireo 13ary nanandratra avo ny feon’izy ireo, niteny hoe: “Jesosy, Tompo o, mamindrà fo aminay.”

14Rehefa nahita azy ireo Izy, dia niteny tamin’izy ireo hoe: “Mandehana dia ampisehoy amin’ireo mpisorona ny tenanareo.” Raha iny lasa iny izy ireo dia nadio. 15Rehefa nahita ny iray tamin’izy ireo fa sitrana izy, dia niverina, niaraka tamin’ny feo avo nankalaza an’Andriamanitra. 16Niankohoka teo an-tongotr’i Jesosy izy, nanolotra fisaorana ho Azy. Izy dia Samaritana.

17Ary Jesosy niteny hoe: “Tsy efa voadio ve izy folo? Fa aiza ny sivy? 18Tsy nisy hafa niverina hanome voninahitra an’Andriamanitra ve, afa-tsy ity vahiny ity?” 19Ary hoy Izy taminy: “Mitsangàna, ka mandehana. Ny finoanao no nahasitrana anao.”

20Raha nanontanian’ireo Fariseo hoe rahoviana ny fanjakan’Andriamanitra no ho tonga, dia namaly azy ireo Jesosy ka niteny hoe: “Tsy taza-maso ny fiavian’ny fanjakan’Andriamanitra. 21Tsy hiteny koa izy ireo hoe: ‘Jereo, Inty ilay izy!’ na hoe: ‘Iry ilay izy!’ Fa indro, ny fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo.”

22Hoy izy tamin’ireo mpianatra: “Avy ny andro hanirianareo ny hahita ny iray amin’ny andron’ny Zanak’Olona, fa tsy hahita izany ianareo. 23Ary izy ireo dia hiteny aminareo hoe: ‘Jereo, ery! Jereo, ety!’ Fa aza mivoaka na manenjika azy ireo, 24fa tahaka ny tselatra mamiratra mazava rehefa mitaratra avy any amin’ny ilany ny lanitra ka hatrany any amin’ny ilany iray, dia toy izany ny Zanak’Olona amin’ny androny.

25Fa vaolohany dia tsy maintsy hijaly amin’ny zavatra maro Izy ary ho lavin’ity taranaka ity. 26Tahaka izay nitranga tamin’ny andron’i Noa, no hiseho koa amin’ny andron’ny Zanak’Olona. 27Nihinana izy ireo, nisotro, nanambady, natolotra ho ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara _ ary tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra.

28Tahaka izay nitranga tamin’ny andron’i Lota _ nihinana sady nisotro izy ireo, nividy sy nivarotra, namboly sy nanao trano. 29Fa tamin’ny andro izay nivoahan’i Lota avy tao Sodoma, dia afo sy solifara no nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra.

30Dia ohatran’izany koa ny amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’Olona. 31Amin’izany andro izany, aza avela hidina haka ireo entany ho eny ivelan’ny trano izay eny amin’ny tampon-trano; ary aza avela hiverina izay any an-tsaha.

32Tadidio ny vadin’i Lota. 33Na iza na iza mitady hamonjy ny ainy dia hahavery azy, fa na iza na iza hahavery ny ainy dia hamonjy azy.

34Milaza aminareo Aho, fa amin’izany alina izany dia hisy olona roa eo ambonin’ny fandriana iray. Ny iray dia horaisina, ary ny iray ho avela. 35Ary hisy roa vavy miara-mitoto vary. Ny anankiray ho raisina, ary ny anankiray ho avela.” 36[Fanamarihana: ireo fandikana taloha tsara indrindra dia manala ny andininy faha 36 hoe: “Hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray ho raisina, ary ny anankiray ho avela.”] Nanontany Azy izy ireo hoe: “Aiza, Tompo?” ary Izy niteny tamin’izy ireo hoe: “Izay hitoeran’ny faty, dia any koa no hisy votoro hiara-miangona.”

37

Copyright information for PltULB